
NY FAMONJENA ARAKA AN’I PAOLY
Paoly dia sady jiosy no romana. Saoly no anarany talohan’ny niovany fo. Nampiseho ny maha jiosy (avy amin’ny taranak’i Benjamina, fariseo) azy izy.
Nihaona tamin’ny Tompo teny amin’ny làlan’I Damaskosy izy.
Niova ho Paoly ny anarany. Paoly dia apostoly nanao asa misionera, mpampianatra, tsy nitady tambiny tamin’ny asa fitoriany ary taizan’aretina.
Ny famonjena araka an’I Paoly :
-NKRISTO [Gr] : ao amin’I Kristy.
Rom 3:24 -> hamarinina ao amin’I Kristy
Rom 8:37-39 -> ao amin’I Kristy no ahafahana miaina
II Kor 3:12-16-> ao amin’I Kristy no mampiala ny aloka rehetra
-Fahasoavana : Efe 2:8-10 -> raisina maimaimpoana ny fahasoavana izay efa tanterak’Andriamanitra => natioran’ny olona manana an’I Kristy ny manao asa tsara
-Famonjena ny jiosy rahatrizay : Rom 11
-Mifamatotra amin’ny teolojian’ny hazo fijaliana : Gal 3 -> ny fahafatesan’I Jesoa Kristy ihany no handraisana famonjena
-Filazantsara : Rom 1:16 ->herin’Andriamanitra ho amin’ny famonjena = Jesoa Kristy
-Fanantenana : Rom 8 :14 (espérance)
Mizara roa ny fanantenana :
o“espoir” : toe-po manoloana ny toe-javatra iray
o“espérance” : finoana teny fikasana
Tsy tokony ho diso fanantenanana ny olona miorina amin’ny tenin’Andriamanitra