× home PEJY VOALOHANY location_city FIANGONANA LEHIBE account_balance FIANGONANA MITORY domain AKANY ZADI people SSAF live_help NY FIANGONANA arrow_forward Se connecter

FJKM Ilanivato Misionera


FAMPIANARANA Alarobia 15 Mai 2019

Mpampianatra :RAVONIARIVOLOLONA Rojoniaina, mpitandrina


NY ANKIZY SY NY FILAZANTSARA


Ny Filazantsara dia I Jesoa Kristy. Raha miresaka ny ankizy sy ny Filazantsara izany dia I Jesoa sy ny Ankizy no resahana.

Betsaka no manao ankilabao ny ankizy nefa ny ankizy no tena liana voalohany rehefa injay tonga ny mpiantafika hanao Tafika Masina.


Ny hevitr’Andriamanitra mikasika ny ankizy :

üAraka an’I Matio :

Mat 19:13,14 // Mar 10:13-16 // Lio 18:15-18


Jesoa tia ny ankizy ary mandray azy :

·Manome fahefana ny ankizy hanatona Azy Jesoa nefa isika indray no mandrara ny ankizy

·Mametra-tànana ny ankizy : manome fiainana ny ankizy Izy

·Mitrotroómisy fiankinana

Tsy ny traikefa na ny fahalalan’ny ray aman-dreny no tokony hitaizana ny ankizy fa Jesoa no mitrotro azy

·Mitsodrano ny ankizyómanana vina amin’ny zanantsika Jesoa

üAraka an’I Lioka :

·Jesoa miantso ny ankizy hanatona Azy : hevitr’Andriamanitra ny hanatonan’ny ankizy an’I Jesoa

·Natao hahalala an’Andriamanitra ny ankizy

oFahafantarana (connaissance)

Deo 6:6-7 asaina ampianarina ny ankizy ny Soratra Masina

Eks 12:24-27 mila ampahafantarina ny ankizy ny fitondran’Andriamanitra

oFiraisana, fiombonana : ao am-pon’Andriamanaitra ny hananan’ny ankizy fiombonam-piainana aminy.

·Natao handray andraikitra dieny zaza : tahaka an’I Jesoa nandray andraikitra tao amin’ny Temploy (Lio 2:46-47). Mila ampahafantarina ny ankizy fa na mbola kely aza dia efa afaka manao asan’Andriamanitra

·Natao hidera an’Andriamanitra : Mat 21:16 // Sal 8:2 “avy amin’ny vavan’ny ankizy..no nanamboaranao fiderana”. Tsy tokony zavatra hafa no mahafaly antsika hampalaza ny zanantsika fa ny fiderana.

·Natao ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra ny ankizy : Mat 11:25 ->naseho tamin’ny zaza madinika ny Fanjakan’Andriamanitra, manana anjara amin’izany ny ankizy satria tsotra, manana toe-po mora mandray fa tsy mihady hevitra tahaka ny lehibe =>modelin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny ankizy


Ny fitoriana Filazantsara amin’ny ankizy :

-Fanambarana azy ny fitiavan’I Jesoa Kristy

-Fampidirana ny ankizay ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra : famerenana ny ankizy ao amin’ny hevitr’Andriamanitra.

Tahaka ny fitoriana rehetra dia mizara 2 ny fitoriana :

  • Évangélisation : milaza ny fitiavan’Andriamanitra sy ny hoe natao ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra ny ankizy ;
  • Edification : fiderana sy fahalalana an’Andriamanitra=> mampiorina amin’ny fiderana sy manao ny hisian’ny fiombonam-piainana amin’I Jesoa

-Fahafantarana ny tontolon’ny ankizy : kely fifantohana ka mila zavatra tsotra, mazava, fohy, jeren’ny maso

RépondreTransférer