
FJKM Ilanivato Misionera
FAMPIANARANA Alarobia 29 Mai 2019
Mpampianatra : RAVONIARIVOLOLONA Rojoniaina, mpitandrina
NY TEOLOJIAN’NY FITAFIANA
Ny fitafiana mialoha sy aorian’ny fahalavoana
Araka ny Gen 2 :25 dia tsy nisy ny fitafiana tamin’ny mbola tsy nanota ny olona. Tsy nisy henatra fa niaina tamin’ny fahatsorana, araka izay nanaovan’Andriamanitra azy.
Ny fitanjahana no hitan’ny olona voalohany rehefa tonga ny fahalavoana. Ny fahiratan’ny maso no vokatry ny fahalavoana.
Ny vahaolana hitan’ny olona dia ravin’aviavy izay nanakonana fotsiny ny valahana fa tsy ny tena rehetra. Vahaolana tsy maharitra, fa izay noheverina hisian’ny fitanjahana fotsiny no notakonana. Toy izany ny lamaody izay miovaova.
Ny vahaolan’Andriamanitra kosa hoditra biby izay maharitra (misy « sacrifice »).
Vahaolana mahafa-kenatra, manome hafanana ary tsy miova no nomen’Andriamanitra.
Nanomboka hatreo dia neken’Andriamanitra ny fanafiana ny olona. Lasa filàna fototra ny akanjo.
Ny akanjo araka ny Soratra Masina :
-Eks 38 => milaza ny amin’ny fitafian’ny mpisorona : akanjo miavaka noho ny asany, toy ny akanjom-panompoana rehetra
-Lio 16 :19-31=> mampiseho ny maha izy azy ny olona : mitantarana ny amin’ilay mpanakarena sy Lazarosy, miavaka ny fiakanjon’ilay mpanakarena,
-Jaona mpanao batisa => mampiseho ny fahatsorany ny fitafiany
Fanakonana henatra ny akanjo ara-tsoratra Masina.
Jesoa Kristy no tena fitafiana tsara indrindra
-Rom 13 :14 « fa itafio Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany »-> Jesoa Kristy no fahatanterahan’ny zavatra rehetra
-Efe 6 :14-21 -> ny fiadiana omen’Andriamanitra antsika dia fitafiana mandrakotra ny loha hatramin’ny faladia : valahana sikinana fahamarinana, rariny fiarovan-doha, kiraro fahavononam-panahy…
-Kol 3 :12 -> « mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana » -> lamba fitafian’ny Kristiana amin’ny fotoana rehetra izay toe-po fa tsy zavatra ivelany.