
FJKM Ilanivato Misionera
Fampianarana Alarobia hariva 12/06/2019
RAVONIARIVOLOLONA Rojoniaina, mpitandrina
NY ASAN’NY FANAHY MASINA
Tamin’ny Testamenta Taloha dia ho an’ny olona manokana ny Fanahy Masina.
Amin’izao vanin’andro izao dia omena ny olona rehetra ny Fanahy Masina ary mitoetra ao anatiny mandrakizay.
- Ny asan’ny Fanahy Masina araka an’I Jaona :
- Jao 14:26 :
Ny Fanahy Masina dia :
- Mpampianatra sy mpampahatsiaro
- Mpisolovava : manana mpisolovava sy mpanampy amin’ny ady hatrehany ny kristiana
è Tena mahatsapa izany ve isika ?
Mila mihaino an’i Jesoa Kristy isika ka rehefa ao anaty ady sarotra dia ampahatsiarovan’ny Fanahy Masina ny tenin’ny Tompo
- Jao 16:8-9
Ny Fanahy Masina dia :
- Mampiaiky ny olona ny fahotany, ka tonga hatramin’ny fibebahana
- Mitarika ho amin’ny fahamarinana
è Misy fiainana voaray rehefa mamaky Baiboly noho ny asan’ny Fanahy Masina
- Jao 16:13-14
- And 13 : Mitari-dalana amin’ny marina rehetra. Rehefa tsy manaiky tarihan’ny Fanahy Masina dia lasa any amin’ny làlan-diso
- And 14 : Manambara izay avy amin’Andriamanitra
- Ny asan’ny Fanahy Masina araka ny teolojian’I Paoly :
- Efe 4:30 -> ny Fanahy Masina dia mpanisy tombokase. Marina tsy azo hozongozonona izay asiana kase.
Tompomariky ny fanavotana ny Fanahy Masina.
Mpanamasina (manokana) amin’ny fanavotana sy famonjena ny Fanahy Masina
- II Tes 2:13 -> Mampahafantatra ny olona ny zavatra omen’Andriamanitra azy ny Fanahy Masina
- I Kor 2:12-> nomena antsika ny zavatra rehetra toy ny fanomezam-pahasoavana ampahafantarin’ny Fanahy Masina ny olona iray.
è Tsy mahay mihaino ny Fanahy Masina ny olona ary tsy mahay mandray ny tombony omena azy
- Miara-anonona amintsika ny maha zanak’Andriamanitra
- Mifona ho antsika amin’ny fitarainana
- Rom 8:26-> manitsy ny zavatra ataontsika ny Fanahy Masina. Manampy ny olona mivavaka, manome hery hanatonana an’Andriamanitra
è Manavao ny Fanahy Masina (Sal 104:30). Afaka hiova ny fiainan’ny olona rehefa manaiky havaozin’ny Fanahy Masina
AHOANA NO HAHAFANTARANA NY ASAN’NY FANAHY MASINA
- Tsy fantarin’olona na ny saina fa ny Fanahy ihany no mampahafantatra Azy (I Kor 2:10)
- Ny teny sy asa. Ny vokatra entiny (Gal 5:22)
- Mampiombona fa tsy mampizara
- Tsy mikendry ny hahasoa ny olona tokana fa ny olona rehetra