
FJKM Ilanivato Misionera
FAMPIANARANA Alarobia 2 May 2018
Ny « IZAO TONTOLO IZAO » araka ny Soratra Masina
Mpampianatra : Rarijason Hery, mitandrina
Misy heviny 6 ny « izao tontolo izao » ao amin’ny Soratra Masina.
1-Izao tontolo izao = « cosmos » na « univers » : ny tany sy ny lanitra araka ny Gen 1:1, Jer 10 :12,
Oha 8 :26 « Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao rehetra izao ».
Mitoetra tsy mihozongozona izao tontolo izao raha mbola Andriamanitra no manjaka.
Sal 93 :1 « Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika », Sal 96 :10, I Tan 16 :30
2-Izao tontolo izao = Tany onenana :
Gen 1 :28, Sal 49 :1, Mat 24 :14
Sal 115 :16 « Ny lanitra dia an'i Jehovah ; fa ny tany nomeny ho an'ny zanak'olombelona ». Eto ambon’ny tany ihany no onenan’ny olombelona, na dia mikaroka fiainana any amin’ny planeta hafa aza ny siantifika.
3-Izao tontolo izao = zanak’olombelona :
Jao 1 :29, I Jao 1 :2
Jao 3 :16 « Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay »
II Kor 5 :19 « Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany ». Ny izao tontolo izao eto dia ilay olona endrik’Andriamanitra.
4-Izao tontolo izao = olona mpanota sady ratsy, izay mandà an’Andriamanitra sy ny famindrampony
Rom 5 :12 « Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra ». Rehefa tonga ny ota dia nisy fahafatesana
Efe 2 :2, I Jao 5 :19 « Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin'ilay ratsy avokoa». Rehefa manaiky an’i Jesoa dia afaka amin’izao tontolo izao.
- Satana no andrianan’izao tontolo izao araka ireto :
- Jao 12 :31 Jesoa maty no mahatonga ny andrianan’izao tontolo izao horoahana
- Jao 14 :30 « fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy » : Satana tsy manana na inona na inona ao aminao raha tena nandray an’i Jesoa ianao. Mila mino izany ianao mba ho marina aminao izany
- Jao 16 :11 efa voatsara ny andrianan’izao tontolo izao
- Izao tontolo izao = fanahy miasa ao amin’ny olona mifanohitra amin’ny Fanahy Masina araka ny I Kor 1 :20, 21 ; 2 ;12
- Izao tontolo izao = fanahy manohitra hazo fijaliana,mandà an’i Jesoa voahombo ho famonjena araka ny Jao 7 :7 ;5 :18-19 ; I Jao 3 :13
- Izao tontolo izao efa nanidy varavarana hidiran’i Jesoa (Jao 12 :46, 47) nefa Jesoa Kristy tonga hamonjy io izao tontolo izao io
- Ny fihetsiky ny zanak’Andriamanitra manolona ny izao tontolo izao :
- Fisarahana aminy : Jao 8 :23 ;17 : 16 Tsy maintsy ateraka indray raha hiditra any « ambony »
- Miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao (Jak 1 :27)
II Pet 2 : 20 Fahalalana tsara an’i Jesoa Kristy no mahafaka amin’ny pentipentin’izao tontolo izao
- Ny toetran’izao tontolo izao :
- « Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray » I Jao 2 :15,16. Izao manohitra an’Andriamanitra no an’izao tontolo izao (hira, vola, avonavona…)
- « fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao » Jak 4 :4
- Efa resin’i Jesoa izao tontolo izao (Jao 16 :33), « lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao » (I Jao 4 :4).
Ny finona an’i Jesoa no andresena izao tontolo izao
- Ny iraka (mission)-ntsika :
Jao 1 :15-18, Mar 16 :15 Nirahana ho amin’izao tontolo izao isika mba hitory amin’ny olona rehetra
- Izao tontolo izao = andro ankehitriny
Mat 13 : 37-39 ; 24 :3
Fahataperan’izao tontolo izao = fahataperan’izao andro ankehitriny izao
Mat 12 :32 « fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao [teny Grika « izao tontolo izao »] na amin'ny ho avy ».
- Izao tontolo izao = andro ho avy
Lio 20 :35 fiainana ho avy
Efe 1 :21 ; 2 :17 Heb 6 :5
Teny farany :
Jao 18 :36 « Jesoa namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako. »
Ny fanjakan’i Jesoa izay tsy azo ampihorohoroina araka ny Heb 12 :28 dia tsy avy amin’izao tontolo izao (dia ilay cosmos, tany onenana, olombelona, olona mpanota).
Efa natao mendrika handova ny fanjakan’ny lanitra isika ka tsy mitovy amin’izao tontolo izao.
Tsy maintsy mifandray amin’ny Tompo foana ianao dia atorony anao izay avy amin’izao tontolo izao sy tsy avy aminy.
https://www.mixcloud.com/FJKM/izao-tontolo-izao-araka-ny-soratra-masina/