
FJKM Ilanivato Misionera
Fampianarana Mofon’aina Alarobia 16 May 2018
NY FIOMBONAN’NY MPINO araka ny Efesiana 4 : 1-6
Mpampianatra : Rarijason Hery, mitandrina
Milaza ny fiainanan’ny fiangonana fa tsy izaho na ianao irery ny fiombonanan’ny mpino
1-Ny Fiangonana :
Fiangonana = fikambananan’ny olona izay nantsoina hivoaka avy ao amin’izao tontolo izao ho an’Andriamanitra
Ny Fiangonana dia natokana ho an’Andriamanitra ;
Ny Fiangonana dia masina (voatokana), ka mahatsapa fa voatokana ho an’Andriamanitra ny tenany sy ny momba azy rehetra ;
Ny Fiangonana dia mandeha mendrika ny fiantsoana azy ;
->Antso : Jesoa maty teo amin’ny hazofijaliana.
Gal 6 :14 Tsy misy rehareha afatsy ny hazo fijalian’i Jesoa izany hoe ny fahafatesan’i Jesoa
Maty izao tontolo izao raha ny amiko, izany hoe tsy manao ny fanaony, ny fiteniny, tsy mipetraka aminy intsony ny fanantenako
2-Fototry ny antso ho amin’ny firaisana :
Efe 4 : 4 ; 6
-« Iray ny tena » : tenan’i Kristy
I Kor 12 :13 Rehefa nandray an’i Kristy ianao dia nasitrika tao amin’ny Fanahiny
-« Iray ny fanantenana » : Jesoa Kristy no fanantenana araka ny I Tim 1 :1. Tsy ny fahazoana fiarovana eo amin’ny fianana no fanantenana ; vokatry ny fahatanterahan’ny fanantenana ny fiarovana.
Efe 1 : 11-14 Kristy no fanantenantsika : navotany, notendreny, ankasitrahan’ny fony ary nasiana tombon-kase tamin’ny Fanahy Masina izay nandray Azy.
-« Iray ny Tompo » : Jesoa Krisy no Tompo, ka manontany hoe : mitovy ve ny Tompontsika rehetra ? Sao misy mamôna ny tompony ?
-« Iray ny finoana » : Rom 10 :17 « ny finoana dia..avy amin’ny tenin’i Kristy ». Tsy mitovy finoana amin’izay tsy mamaky baiboly ny mamaky. Rehefa manaraka ny tenin’ny Tompo ianao dia omeny voninahitra, fa hoy Izy « iray manaome voninahitra Ahy no omeko voninahitra ».
-« Iray ny batisa » :
Araka ny Rom 6 :3-4, Batisa =
- Miara-maty amin’i Kristy
- Alevina miaraka amin’i Kristy
- Miara-mitsangana amin’i Kristy
- Miara-miroso amin’ny fianam-baovao
-« Iray Andriamanitra » : ilay Rain’i Jesoa Kritsy Tompo, ambon’ny andriamanitra rehetra, manerana (=miditra ao aminao) azy rehetra
- Rehefa manaiky ho tarihan’ny Fanahy ianao dia vitanao ireo fototra ireo
3-Ny fomba ivelomana ny fiombonana :
Efe 4 : 2-3
-Fanetren-tena rehetra : Jesoa Kristy no modely
Fil 2 :7-8 -> Jesoa Krisy nanafoana ny tenany ary nanaiky ho faty noho ny amiko sy aminao
Jak 4 : 6 -> Toerin’Andriamanitra ny mpiavonavona ka tsy mahazo valim-bavaka fa manome fahasoavana ny manetri-tena Izy
-Fahalemem-panahy (douceur) : olona tsy tia ady, azo resahana
-Fahari-po mifandefitra amin’ny fitiavana : manana toe-panahy maharitra, mahay mamela heloka na dia be fahotana aza
Andriamanitra no mandray an-tànana ny ady (Azy ny famaliana) fa tsy maka ny toeran’Andriamanitra ianao manjary « miavonavona » araka ny Rom 12 :17-21 « reseo amin’ny soa ny ratsy »
I Pet 4 : 8 -> « ny fitiavana manarona fahotana maro » : voasarona ny fahotan’ny rahalahinao rehefa tianao
-Mazoto mitana ny firaisana amin’ny fehim-pihavanana : ampirisihana ianao hitazona ny firaisana. Avy amin’ny teny hoe « kofehy » ny fehim-pihavanana, izany hoe mampifamatotra. Mila mitovy saina ny olona mifamatotra mba hitovy làlana.
Avy amin’ny Fanahy Masina ny firaisana. Mila iainanana ny fiombonana efa azo.
Teny farany :
Sal 133 « Endrey tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina fa voadidin’i Jehovaha ho eo ny fitahiana ». Didin’Andriamanitra mihitsy ho eo amin’izay misy fiomboana ny fitahiana.