× home PEJY VOALOHANY location_city FIANGONANA LEHIBE account_balance FIANGONANA MITORY domain AKANY ZADI people SSAF live_help NY FIANGONANA arrow_forward Se connecter

FJKM Ilanivato Misionera


FAMPIANARANA Alarobia 17 oktobra 2018

NY MINISTERAN’I PETERA (tohiny)


Mpampianatra : Rarijason Hery, mitandrina


Lohahevitra : NY FOMBA HIDIRAN’NY OLONA AO AMIN’NY FANJAKAN’NY LANITRA


Fampahatsiahivana : ny mpitory ny Filazantsara dia olona efa :

  • Nihaona tamin’i Kristy
  • Nandray an’i Kristy
  • Mahazo antoka fa avy amin’ny fahafatesan’i Kristy ny fanavotana
  • Mahay manambara izany amin’ny herin’ny Fanahy Masina

Ny mpitory ny Filazantsara izany dia olona hitarika ny hafa ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.


NY FITARIHANA NY OLONA HO ANY AMIN’NY FANJAKAN’NY LANITRA


Misy dingana 4 (efatra) ny fitarihana ny olona ho amin’ny Fanjakan’ny Lanitra. Ny 3 voalohany dia asan’Andriamanitra ary ny 1 farany dia asa andrasana amin’ny olona.


1-Jesoa tonga ho sakaizan’ny mpanota :

Jesoa tsy tonga hitsara : Jao 3 :17 « fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao » ;

Jesoa no nanatona antsika voalohany fa tsy isika no nanatona Azy ;

Jesoa tonga namana aloha vao mpamonjy : Lio 19 :5 niantsoan’i Jesoa an’i Zakaiosy hidina, fa tsy nitsara na nanameloka an’i Zakaiosy Izy ;

Hitan’ny Tompo ny fon’ny mpanota te hibebaka : Lio 19 :5b « midina faingana fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio » ;

Jesoa mpamonjy : ny mason’ny Tompo (fijeriny fotsiny) no nampibebaka an’i Zakaiosy ka nahatonga azy niteny ny and.8


2-Antsoina hihaona amin’i Jesoa ny olona fa tsy hihaona amin’olona na zavatra hafa :

Mila manana fanahy manavaka isika.

Tsy hitan’ny olona ilay Jesoa mamela heloka : Mat 9 :6 «ny Zanak’olona manana fahefana ety ambon’ny tany hamela heloka » ka nilazany tamin’ny ilay marary hoe « mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao ».

Fahamarinana ara-panahy (réalité spirituelle) -> famelana heloka

Fahatanterahana ety ambonin’ny tany -> fanasitranana

Ny Tafika masina dia mampihaona amin’ny Tompo sy mampandray Azy fa tsy tamin’ny nataony avy hatrany

Asa 16 :31 « minoa an’i Jesoa Tompo » : ilay Jesoa « être »

Jao 3 :16 « tsy ho very izay rehetra mino Azy » (tsy ny fahafatesany avy hatrany fa Izy « en personne »)

Lio 23 :39-43 ilay jiolahy nahafantatra fa mpanjaka io Jesoa niara-nohombona taminy io, izay maty noho ny fahotany ka niteny taminy hoe tsarovy aho rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao ;

Jao 20 :31 ->Jesoa hinoana fa zanak’Andriamanitra.


3-Efa nomena ny Fanahy Masina hampihaiky ny fibebahana

Asa 2 :16-17 // Joe 3 -> homen’Andriamanitra anao ny fahaizana Teny rehefa milaza ny asa lehibe ataony ianao. Efa nalatsakin’ny Tompo ho an’ny nofo rehetra ny Fanahy Masina .

Jao 4 -> Jesoa niresaka tamin’ilay vehivavy Samaritana : mila matoky ny Fanahy Masina, mila sady mahay mihaino ny Tompo no sady mahay mihaino ny olona ;

Jao 16 :8-10 ->tonga Jesoa hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana :

And 9 « ny fahotana satria tsy mino Ahy izy » : Ny Fanahy Masina no mampihaiky ny fahotana fa tsy isika olona.

And 11 « ny fitsarana satria ny andrianan’izao tontolo izao dia efa voatsara » : ny devoly mampanota ny olona dia efa voatsara satria asan’ny Fanahy io.


4-Fepetra tokana andrasana amin’ny mpanota : fo tsotra (honnête) sady marina

Lio 8 :15 Omen’ny Tompo ho an’ny olona tsotra fo ny finoana sy fibebahana ;

Asa 9 :6 nomen’i Jesoa an’i Saoly (nihova ho Paoly) ny fibebahana rehefa nanaiky Izy fa Tompo (Seigneur) io miteny io.

Jao 14 :1 « minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa » hoy Jesoa : rehefa taritina hino ianao dia tsy ny olana mivaha no lehibe fa ny finoanao an’Andriamanitra. Mar 11 :22 « manana finoana an’Andriamanitra ».


  • Efa ao amin’izay maha-izy azy ny Filazantsara ny fanomezana finoana sy fibebahana ho an’ny olona hitoriana. Tsy anjaranao ny mamorona fibebahana.





https://www.mixcloud.com/FJKM/fampianarana-17-oct-2018/