
FAMPIANARANA Alarobia 21 Novambra 2018
NY MINISTERAN’I JAONA APOSTOLY
Mpampianatra : Rarijason Hery, mpitandrina
Samy manana ny anjara fanompoany ny apostoly :
Petera | Paoly | Jaona |
Nampanaiky ny olona an'i Jesoa Kristy | Nampiorina (édification) ireo nampidirin'i Petera ireo | Hamerina ny Fiangonana indray amin'ny fahamarinana |
Fanontaniana : Ahoana izany hoe averina ao amin’ny fahamarinana ?
Valiny : averina amin’ny Tenin’Andriamanitra
I – Jesoa Kristy no fahamarinana :
Famaritana :
Fahamarinana = vérité [Fr], aleteia [Gr]
Marina = véritable [Fr], altinos [Gr]
Tonga nofo io fahamarinana io ->Tonga tena ao amin’i Jesoa Kristy ny tenin’Andriamanitra -> Jesoa Kristy no tena marina.
Banga izay ao ivelan’i Jesoa.
Apok 3 :7 « Izao no lazain’izay masina, marina » (voici ce que dit le saint, le véritable)
I Jao 5 :20 « isika ao amin’ilay marina » (nous sommes dans le Véritable)
Jao 1 :9 « tao ny tena mazava » (la vraie lumière)
Jao 6 :32 « ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra » (mon Père vous donne le véritable pain)
Jao 15 :1 « Izaho no tena voloboka » (je suis le vrai cep)
Tsy misy zavatra tsy nataon’Andriamanitra ho tonga nofo.
Efa ao anatin’ilay « nofo » ny fahamarinana. Ny Isaia 53 dia milaza fa marina ao amin’Andriamanitra ny hoe « nitondra ny aretintsika Izy ». Tsy vao angatahana ny hitondran’i jesoa ny aretinao fa raha izany dia miala amin’ny fahamarinana ianao.
Ny fisaorana no ahitanao fahasitranana avy eo.
I Paoly koa dia nilaza izany ao amin’ny Efe 2 :4-6 manao hoe : « efa ao an-danitra ao amin’i Jesoa Kristy », noho izany, tsy mbola angatahanao ny ho ao an-danitra.
II- Famerenana ny olona ao amin’ny marina :
Ny epistily telo dia miresaka ny fahamarinana izay lehibe aminy.
Tanjona : fampisehoana amin’ny Fiangonana fa iny marina iny efa tonga fahamarinana.
I Jao 5 :6 « ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana » (c’est l’Esprit qui rend témoignage, car l’Esprit est la vérité).
Ny trinité : Andriamanitra miseho amin’ny endrika telo fa arakaraka ny zavatra ataony sy ny vanim-potoana no isehoany (personnage).
Ray izy tamin’ny famoronana (création), zanaka tamin’ny famonjena, Fanahy Masina izay miasa ankehitriny, no manome tena ny Teny ao amin’ny baiboly.
Ny ministeran’i Jaona no mitarika antsika hiverina ao amin’ny marina.
Ny asan’ny Fanahy Masina dia manome nofo ho marina eo aminao ny teny, na fizahan-toetra, na fifaliana NEFA hataon’Andriamanitra mpandresy ianao
Ny Jao 17 :3 milaza fa « ny fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy » -> ny tenin’Andriamanitra no fahamarinana fa tsy ny fihetseham-ponao.
Asan’ny Fanahy Masina ny fiverenana amin’ny fahamarinana.
Révélation :
1-Jesoa fahamarinana
2-ny Fanahy Masina mahatonga nofo
3-fehezin’ny Fanahy Masina (discipline du Saint Esprit)
- Mbola tsy voavonjy ianao raha mbola tsy tonga nofo aminao ny Teny araka ny Jao 1 :1 ;14 « ny teny dia Andriamanitra..ny teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika ».S