× home PEJY VOALOHANY location_city FIANGONANA LEHIBE account_balance FIANGONANA MITORY domain AKANY ZADI people SSAF live_help NY FIANGONANA arrow_forward Se connecter

FJKM Ilanivato Misionera


FAMPIANARANA Alarobia 28 Novambra 2018


MIVONONA HIHAONA AMIN’NY TOMPO

Jakoba 5 : 7-11


Mpampianatra : Rarijason Hery, mpitandrina


Misy toetra 2 andrasana amin’ny olona homanina hihaona amin’ny Tompo :


I – Homanina haharitra amin’ny fampahoriana ataon’ny hafa (and 7-8) :

Ny and 7 « ary amin’izany » dia milaza izay lazain’ny andiny eo ambony dia ny mpanan-karena noho ny fampahoriana ny hafa.

I Tes 5 :14 « mandefera amin’ny olona rehetra » : asain’ny Tompo maharitra tsara manandram-pihaviny ny olona. Be ny mpampijaly eto ambonin’ny tany nefa tsy tokony handoto fo amin’izany isika.

Ny « rahalahy » no resahan’i Jakoba eto (and 7« mahareta tsara ry rahalahy »), izany hoe olona efa mahafantatra ny Tompo.


Inona no antony hanantenantsika ? -> Satria efa ho avy ny Tompo


Ny olona tsy maharitra manoloana ny fampijalian’ny manodidina dia tsy hihaona amin’ny Tompo.

Tahaka ny fiandrin’ny mpiasa tany izay manao hoe efa ho avy ny fiakaran’ny vokatra dia asaina hampaherezina koa ny fontsika.

Ny « fo » eto dia tsy milaza ny taova, fa ny ao anaty dia ny fanahy, saina, fihetseham-po ary safidy.


Mila hampaherezina ny fanahy, fo, saina satria ho avy Jesoa, ilay tena azo antoka. Miandry « Olona » isika, dia i Jesoa, fa tsy olona hafa na zavatra hafa. Ny anjarantsika dia mampiely ny Vaovao Mahafaly. 


II- Tsy mifampimonomonona (an 9) :

Hoy ny Fil 2 :14 « ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsy fimonomonomana sy tsy fisalasalana ».

Misaora amin’ny zavatra rehetra hoy ny tenin’Andriamanitra ho antsika.

Tsy vitantsika izany tsy mimonomonona izany fa ny Fanahy Masina no mampahatsiahy antsika izany.


Asaina ianarantsika ny fainan’ireo mpaminany araka ny Jak 5 :10. Ny mpaminany dia izay olona nandray Teny ary mizara izany.


Ny tenin’Andriamanitra no mahatonga antsika manana faharetana


Misy zavatra rantsanan’ny Tompo eo aminao mba ho mendrika ianao NEFA « miantra indrindra ny Tompo » hoy ny and.11 na dia ao anatin’ny fandrantsanany anao aza.


  • Fehiny : Ny olona homanina hihaona amin’ny Tompo dia maharitra amin’ny fampahoriana ataon’ny hafa ary Tsy mifampimonomonona.