× home PEJY VOALOHANY location_city FIANGONANA LEHIBE account_balance FIANGONANA MITORY domain AKANY ZADI people SSAF live_help NY FIANGONANA arrow_forward Se connecter

FJKM Ilanivato Misionera


FAMPIANARANA Alarobia 16 janvier 2019

Lohahevitra : Mahatahotra Andriamanitra Tompo


IREO VOKATRY NY FAHATAHORANA AN’ANDRIAMANITRA


Mpampianatra : Rarijason Hery, mpitandrina



Ilay Andriamanitra mahatahotra dia mahatonga « crainte » fa tsy « peur » ka miteraka fanajàna, fanomezam-boninahitra, fanekena an’Andriamanitra (na « respect, admission, soumission » à Dieu


  1.  Oha 1 :7 « Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana »

Ny fahalalàna dia izay mety fantarina eo amin’ny fiainana.

An’Andriamanitra irery ny fahalalàna ny zavatra rehetra araka ny Gen 2 :16-17.

Ny fahalàlana fantatry ny olona dia voafetra (malemy, « mitanjaka » tahaka an’i Adama sy Eva) ka nanamboatra kolontsaina ao amin’ny fitanjahany ny olona. Mahalala ny zavatra rehetra rehefa matahotra an’Andriamanitra.


Tsy maintsy asiana famaizana ny olona tsy mahafantatra an’Andriamanitra.


  1.  Oha 2 :5 « Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra »

Tsy maintsy mitarika anao ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ny fankatoavana ny Teniny. Rehefa ankatoavinao ny Teny dia mahalala an’Andriamanitra ianao.

Misy « responsabilité »-nao ny nandraisanao an’i Kristy, mba hanovan’i Kristy anao koa. Andraikitrao ny mankato an’Andriamanitra miteny mba hahafantaranao Azy.


Andriamanitra miteny ->Ianao mankatoa  -> Mahafantatra an’Andriamanitra ianao


  1. Oha 10 :27 « Ny fahatahorana an'i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan'ny ratsy fanahy hahafohezina. »

Ny ratsy fanahy dia izay tsy mankatoa ny tenin’Andriamanitra, lavitra an’Andriamanitra, ka nafohezina ny fianany.

Ny Gen 1 :29-30 dia milaza ny zavatra rehetra nomen’ny Tompo hohanin’ny olona tany am-piandohana (zava-maniry sy voankazo, tsy nisy hena). Rehefa tafiditra ny ota (Gen3) dia niova ny mahaolona ny olona. Nandefitra Andriamanitra ka nanome ny olona ny hena hohanina (Gen9 :3).

Mahela velona ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra.

  • Oha 14 :26 « Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fiarovana mahatoky. Ary ny zanany hahazo fialofana »

Arovan’ny tenin’Andriamanitra ianao. Rehefa miala amin’ny Teniny dia tsy misy fiarovana anao satria tsy misy mpiaro intsony (Sal 31 :1-5).

Ny zanakao sy ny manodidina anao lasa mialoka koa satria misokatra ho azy ireo ny fiarovan’Andriamanitra araka ny I Kor 7 :13 (ny tsy mino lasa masina ao amin’ny mino).


  1. Oha 14 :27 « Ny fahatahorana an'i Jehovah no loharanon'aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana »

Ny teny aloakan’ny vavany marina dia lasa fiainana (« fanahy sy fiainana » araka ny Jao 6 :63) 

->loharanon’aina


  • Oha 15 :16 « Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy. »

Fakam-panahy ny harena fa ny sahaza isan’andro omen’Andriamanitra no izy.

Ny olona matahotra an’i Jehovah dia mahay mionona, mahita « objectivement »* fa ny kely misy fahatahorana an’Andriamanitra no tsara.

*objectivement : mahita amin’ny fahafenoiny ny zavatra iray fa ny « subjectivement » dia amin’izay fomba fahitan’izay azy mijery fotsiny.

Ny famonjena dia sady « objectif » no « subjectif » +> Efa maty Kristy (objectif), raisina ny famonjena izay vao voavonjy ny olona iray (subjectif).

Ny olona matahotra an’Andriamanitra dia mahay manavaka ny « subjectivité » sy ny « objectivité », mahalala ny tena izy ao amin’ny fahafenoiny.


  1. Oha 15 :33 « Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mìaloha ny fisandratana. »

Fananarana hampahendry anao ny tenin’Andriamanitra.

Mat 23 :12 Izay manetry tena no asandratra

Oha 27 : 2 ny hafa no tokony hidera anao


  1. Oha 19 :23 « Ny fahatahorana an'i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza. »

Rehefa miasa ianao dia tsy mandry fotsy. Ny contexte eto dia milaza ny kamo tsy mampiakatra ny hanina amin’ny tanany. Mila miasa izany ianao.

Rehefa matahotra ny Tompo ianao dia mihaino Azy ary tsy hiharan-doza.


  • Oha 22 :4 « Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana. »

Omen’ny olona voninahitra ianao rehefa manetry tena. 

Ny harena dia tsy materialy ihany fa ny fahazoana olona amin’ny Tompo koa, amin’ny alalan’ny fitoriana ny Filazantsara.


  • Sal 130 :3-4 « Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô ? Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, mba hatahorana Anao. »

Tsy maintsy matahotra an’Andriamanitra ianao rehefa mahatsiaro voavela heloka.