× home PEJY VOALOHANY location_city FIANGONANA LEHIBE account_balance FIANGONANA MITORY domain AKANY ZADI people SSAF live_help NY FIANGONANA arrow_forward Se connecter

FJKM Ilanivato Misionera


FAMPIANARANA Alarobia 23 Janoary 2019             Mpampianatra : Rarijason Hery, mpitandrina


NY FIANTSOAN’I JESOA AN’I PETERA

Lioka 5 : 1-11


T

antara efa fantatrao ity niantsoana an’i Petera ity, izay lazain’ny mpanoratra eto hoe « ny nampahazoan’i Jesoa an’i Petera hazandrano be » (izay toa milaza fa ny amin’ny zavatry ny nofo no lehibe) , fa averin’ny Fanahy Masina eo anivon’ny fahamarinan’Andriamanitra indray ianao ao anatin’ny tantara.


  1. And1-3 

Nifanizina ny olona hihaino ny tenin’Andriamanitra. Nanana firaisana lalina tamin’i Jesoa ireto olona ireto ka te hihaino ny tenin’Andriamanitra. Ny tenin’i Jesoa rahateo dia « fanahy sy fiainana » (Jao 6 :63).

Fa mbola liana ny amin’i Jesoa sy ny tenin’Andriamanitra ve ny olona ankihitriny ?


Tonga dia mampianatra Jesoa raha vao misy olona mifanizina fa tsy toantsika izay variana amin’ny zavatra hafa rehefa tafahoana amin’ny olona.


Jesoa mizara fiainana < = > Jesoa mitady olona hiara-miasa aminy


  1. And 4-7

Mampianatra aloha Jesoa izay vao manome hanina (« rehefa nitsahatra niteny Jesoa » and 4).

Ny tenin’i Jesoa tamin’i Simona hoe « mandrosoa ho any amin’ny lalina » dia milaza fa tian’ny Tompo hiroso amin’ny lalina koa ianao.

  • Eo amin’ny toerana sy fotoana tsy misy azo iankinan’ny saina (appui na logique) iny Jesoa no miteny.

Rava avokoa ny fahalalàna sy izay mety niankinan’i Simona (expérience, connaissance..) hahazoana hazandrano.

Esorin’ny Tompo daholo izay iankinanao (vola, fahaizana…) dia eo Izy no miteny aminao.

Mila mandre Azy miteny aloha ianao vao mandeha.


  • Tsy ny fahamarinana sy ny lojikan’ny olona intsony no fototry ny asa fa ny tenin’ny Tompo = > izay olona izay no mahitra vokatra. Eo amin’izay no antsoin’ny Tompo ianao hanao asa satria efa mitovy fiainana aminy.

Tsy maintsy hamarinin’i Jesoa ny teniny rehefa mankatoa Azy araka ny Mark 16 :20 « ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin’ny famantarana izay nomba azy ».

Ny « famantarana » dia natao hanamarinana ny Teny fa tsy hampisongadinana olona akory.

Ny tenin’Andriamanitra no mahavita ny asa fa tsy midika hoe tsy ilaina ny fahaizana.


  1. And 8-11

Tafiditra tao amin’i Simona ny tenin’i Jesoa. Ninoany ka nahazoany anarana hoe « Simona Petera ».

  • Ny tenin’Andriamanitra dia « miteraka » olona araka ny I Pet 1 :23 « efa teraka indray ianareo ... tamin’ny teny tsy mety ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra ».

Saingy nandroaka indray an’i Kristy izay efa niditra tao anatiny i Simona Petera tamin’ny teniny hoe « miala amiko » satria mbola matanjaka ilay maha-nofo an’i Simona.

Fanetre-tena diso toerana ny an’i Petera ka manjary lasa avonavona.

Nanaiky izy fa mpanota saingy mbola niavonavona.

Jesoa kosa nefa vao mainka nanome toky an’i Petera ka nanao hoe « aza matahotra ».

Ianao manana firaisana lalina amin’ny Tompo no « fiainana mandrakizay », fa tsy ny « miracle ».


Rehefa izany dia nahafoy ny zavatra rehetra i Petera ka nanaraka an’i Jesoa (and 11). Ny fanomezana nataon’ny olona no niveloman’i Jesoa sy ny mpianany (Lio 8 : 3).


  • Rehefa miteny Jesoa dia Izy ihany no miantoka anao.