× home PEJY VOALOHANY location_city FIANGONANA LEHIBE account_balance FIANGONANA MITORY domain AKANY ZADI people SSAF live_help NY FIANGONANA arrow_forward Se connecter

FJKM Ilanivato Misionera


FAMPIANARANA Alarobia 30 Janoary 2019             Mpampianatra : Rarijason Hery, mpitandrina


NY TANTARAN’I ABRAHAMA REHEFA TAFIDITRA TAO KANANA

Gen 20 :1-13


Fony mbola Abrama no anaran’i Abrahama dia nomen’Andriamanitra teny fikasana izy. Izany teny fikasana izany no nitondran’Andriamanitra ny fiainan’i Abrahama.

Abrahama = rain’ny firenena maro

  1. Ny niantsoana an’i Abrahama

Ny Gen 12 :1-3 dia milaza ny teny fikasana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama « Ary hoy Jehovah tamin’i Abrahama : mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao ; dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao ; ary ho fitahiana tokoa ianao ; ary hitahy izay manozona anao Aho, fa hanozona izay manozona anao ; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany», izany hoe misy :

-Tany omena

-Taranaka

-Firenena lehibe

-Fitahiana amin’ny tany

  • Izay niantsoin’ny Tompo anao no hitondrany ny fiainanao.


I Saraha, vadin’i Abrahama dia nantsoina niaraka tamin’ny vadiny. Mpiray antso amin’i Abrahama izany i Saraha. 

  • Mila mahazaka ny antsonao izay ho vadinao.

Ny anarany tany am-piandohana hoe Saray no notsofohana « H » (=fiainana mandrakizay) dia lasa Saraha, ka niteraka izy ilay momba teo satria nomena aina.


Ny and.1 hoe « nifindra nankany amin’ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan’i Kadesy (=voahosotra) sy Sora (=rindrina mafy fiarovana) , ary nivahiny tao Gerara (=boribory, « cercle ») izy » dia milaza fa nihodikodina fotsiny Abrahama satria tsy mbola tena fantany izay tany halehany.

Nefa efa voahosotra i Abrahama ka narovan’Andriamanitra.


II- Ny fizahan-toetra ny « vady »

            Esorin’ny Tompo foana izay mety iankinanao « appui » mba ahavitanao ny sitrapony. 

Sal 145 :14 « Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo, sy mampitraka izay rehetra mitanondrika »

Lasa nitady lainga hiarovana ny tena i Abrahama ka nilaza an’i Saraha hoe anabaviny tamin’i Abimeleka (=rain’ny mpanjaka)

Misy fizahan-toetra ny antso nataon’ny Tompo tamin’ny olona iray nefa tsy maintsy arovany ilay antso. Rehefa miala amin’ny antso ianao dia tsy voaaro intsony.


Raha vao manaiky Saraha hijanona ao an-dapa dia rava ny antson’i Abrahama. Izay no nahatonga an’Andriamanitra niseho tamin’i Abimeleka mba hiarovany ny antso nataony.

Andriamanitra mampahafantatra ny heriny (Sal 145 :3)


III- Ny fandrantsanan’Andriamanitra (brisement)

And 9 -> Ny jentilisa (Abimeleka mpanjaka) indray no nananatra ny « rain’ny mino » (Abrahama) ka nanao taminy hoe « inona izao nataonao taminay izao ? » rehefa nahafantatra fa vadin’i Abrahama i Saraha izay nalainy ho ao an-dapa.

Hitan’i Abrahama fa meloka izy nefa mbola nanamarin-tena indray (and 11) :

  • Nitsara mialoha hoe « tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra ny tany »
  • Nihevitra ny tenany ho marina ka nanameloka ny hafa
  • Nitady « argument » hanamarinana lainga, amin’ny nilazany fa « demi-sœur »’ny i Saraha
  • Nanana tahotra ny ho faty, tsy nahatoky ny Tompo


Hoy ny Sal 130 :4 « fa eo aminao no misy famelan-keloka, mba hahatahorana Anao » -> Ny olona nandray famelan-keloka dia matahotra an’Andriamanitra


Tsy iray ihany ny antso ataon’ny Tompo aminao. Inona ary no niantson’ny Tompo anao ?


Farany, hoy ny Jer 32 :27 « moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va » . Toy izany no nanafahan’Andriamanitra an’i Saraha