
FJKM Ilanivato Misionera
FAMPIANARANA Alarobia 13 Febroary 2019
Mpampianatra : RAVONIARIVOLOLONA Rojoniaina, mpitandrina
NY BOKIN’I NEHEMIA
- Nehemia sy ny faharavan’ny Jerosalema
Nehemia = Andriamanitra mampionona, mampahery
Nehemia dia olona mahatoky satria mpitondra kapoakan’ny mpanjaka, lasa governora tao Jerosalema, ka nitarika ny jiosy tamin’ny fananganana indray ny manda.
Ny bokin’i Nehemia dia mitantara ny :
- Fiverenana indray ho any Jerosalema tao aorian’ny fahababoanha
- Fananganana indray ny mandan’i Jerosalema
- Fanavaozam-panekena nataon’Andriamanitra sy ny olona.
Manamarika ny fianan’ny jiosy ny fahababoana.
Rehefa miala amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny vahoakany dia lasa babo.
Misy akony eo amin’ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra ny fahababona ;
- Ara-politika : naparitaka ny jiosy, fa tsy napetraka teo amin’ny taniny daholo, ka tratry ny asa an-terivozina ny zanak’Israely, nasaina nandoa hetra izay jiosy tafajanona taty babylona
- Ara-toekarena : natao angovo hamokatra (exploité) ho an’ny babyloniana ny zanak’Israely, isan’izany i Nehemia ary Daniela sy ny namany.
- Ara-pivavahana : nampiozongozona ny finoan’ny jiosy ny fahareseny, lasa nisy fifarongaroam-pivavahana teo amin’ny zanak’Israely.
Rehefa nody tany Jerosalema ny zanak’Israely dia tanàna rava sy vahoaka sahirana no novantaniny tao.
Noho izany dia nitarika ny hanatanteraka ny fananganana i Nehemia.
Ny manda dia mariky ny fiarovana, fiandrianam-pirenena.
Mitady « Nehemia vaovao » Andriamanitra hanangana indray ny firenena.
- Ny takiana amintsika raha hanangana indray ny efa rava :
Ireto avy ny toetra tsara alaina tahaka amin’i Nehemia :
- Mandray andraikitra : manoloana ny tanàna rava dia « nitsangana handrafitra » izy (Neh 2 :20)
- Mahay mitsinjo ny hafa : nanana toerana tsara tao amin’ny lapa izy, nefa niombom-piainana tamin’ny jiosy, nijery ny tombon-tsoan’ny mpiray tanindrazana aminy (toko faha 5)
- Tsy maika handray fanapahan-kevitra : nivavaka aloha rehefa nanontanian’ny mpanjaka (Neh 2 :4), namantatra tsara ny fototry ny olana tao anatin’ny 3 andro izay vao nilaza ny valin-teniny tamin’ny mpanjaka (Neh 2 :11)
- Mahatoky tanteraka an’Andriamanitra : omena Azy ny zavatra rehetra, miantehitra aminy
- Tsy mihemotra : tsy mora ny fananganana indray ny manda, fa tsy nihemotra eo anatrehan’ny sakana (Neh 2 :12 ;19), ny velam-pandrika fiampangana (Neh 6 :2)
- Miaritra ny mafy : mandeha tongotra lavitra, sarotra na ho an’ny biby notaingenana azy (Neh 2 :14)
- Mahay mitarika (leader) : mandamina (Neh 4 :7), mitsinjo (Neh 4 :11), manara-maso ny asa, mampahery
- Mahay miatrika ny olana : miatrika ny mafy rehetra ao anatin’ny fananganana
- Mila mahay mitarika ny mpitarika ary mahay mankatoa ny tarihana mba hovita ny asa. Tokony handray lesona tsara isika mba ahavita ny asa.
9)Mahay miambina mandrakariva : fiambenana amin’ny alalan’ny ankanjo izay mariky ny fahavononana na andro na alina, tahaka ny mpitandrina, ny mpiandry, ny diakona, … (Neh 4 :17)
Manome lanja ny vavaka sy asa : sady manao ny asa fandrafetana no manana fiainam-bavaka. Ny olana ankehitriny dia mampisaraka ny asa sy ny fianam-bavaka. Mifamatotra anefa ny asa sy ny vavaka.
10) Mivavaka ho an’ny fahavalo :
« Ry Andriamanitra ô, tsarovy ….izay nampitahotra ahy» (Neh 6 :14)//
Efa nanana ny toe-pon’i Kristy sahady i Nehemia :
« tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo » (Mat 5 :44) // « Raiko ô, mamela ny helony, fa tsy fantany izay ataony » (Lio 23 :34) //
« raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy, raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny ; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany » (Rom 12 :20)
- Mitady ny fomba rehetra hanakanana ny asan’Andriamanitra satana.
Ny olona miantoraka amin’Andriamanitra dia mahita fitia Aminy.
Misy ny ady fa Andriamanitra efa manome fandresena ho an’izay maharitra. Efa noresen’Andriamanitra ny ady.