× home PEJY VOALOHANY location_city FIANGONANA LEHIBE account_balance FIANGONANA MITORY domain AKANY ZADI people SSAF live_help NY FIANGONANA arrow_forward Se connecter

Fampianarana Alarobia 20/02/2019 hariva

Mpampianatra : RAVONIARIVOLOLONA Rojoniaina, mpitandrina

NY ANTOM-PISIAKO

 ----------oOo-----------

Be ny olona tsy mahalala ny antom-pisiany, ka mihevitra fa kisendrasendra ny fisiany.

Iza moa izaho ity ?

  1. Talohan’ny fahaterahana :

Ny siasana dia milaza ny namoronana olona, fa isika kosa talohan’ny nahaterahantsika dia efa tao amin’Andriamanitra (Jer 1 : 4-5).

Andriamanitra no nanome ny fisiantsika. Tsy mahalala izay ho avy isika.

Tsy takantsika fa efa planin’Andriamanitra daholo ny fiainantsika tsirairary avy.

Sal 100:3 “aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra ; Izy no nanao antsika, ary Azy isika. Dia olony sy ondry fiandriny”.

Rehefa miteraka ny olona iray dia mba ho an’Andriamanira, fa tsy ho an’ny tenany.

Izany fijery izany no manova ny fitaizantsika ny zanantsika (fanekena Batisa : manolotra ny zaza ho an’Andriamanitra).

Famonoana aina sy fanakanana ny planin’Andriamanitra ny fanalàna zaza.


  1. Ao anatin’ny fahaterahana :

Milatsaka ao amin’ny fiaraha-monina ny olona nateraka.

Mamaritra ny antom-pisiana ny fahaterahana.

Misy zavatra be tian’Andriamanitra tanterahantsika satria tsy kisendrasendra ny fahaterahantsika.


  1. Fahafatesana :

Ao anatin’ny fahaterahana (fahavelomanana) ihany no afaka omena asa (mission) ny olona, fa rehefa ao anatin’ny fahafatesana dia tsy azo omena na inona na inona intsony. Efa vokatra sisa no raisina ao.

Mitsahatra amin’izay nisasarany ny olona maty (Apo 14:13).

Tsy tokony hatahotra fahafatesana ny olona manana ny Tompo, satria na velona isika na maty dia an’ny Tompo (Efe 2:4-6).


Inona ary no tanjon’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ?

  1. Natao ho an’Andriamanitra :

Ny olona rehetra dia nataon’Andriamanitra ho Azy. Nataony hanana fifandraisana sy fiombonam-piainana Aminy isika.

Ny Jao 15 no manambara ny fiombonantsika amin’ny Tompo

  1. Natao hidera an’Andriamanitra 

Isa 43: 21 “izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy”.

Maneho fiderana Azy ve isika eo amin’ny fiainantsika ?

Mila hanehoana ny fahatsaran’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao manontolo : manambara ny heriny, ny fahefany ary manome voninihatra Azy.

  1. Natao hitia an’Andriamanitra :

Ny fankatoavana ny didiny no fanehoana ny fitiavana Azy. Tsy misy fanerena eo amin’Andriamanitra, fa fanekena no ataony amintsika.

Tsy natao hoe mpanompo isika fa sakaiza, ka na ny hoavy aza dia ambarany amintsika.

Izay rehetra manaiky ny fitiavany dia hanambarany ny zava-miafina rehetra. 

  1. Zanak’Andriamanitra :

Natao handova ny fiainana mandrakizay isika (Rom 8:27)

  1. Nataony hiditra eo amin’ny planiny :

Jer 29:11 “Izaho mahalala ny hevitra hiheverako anareo…mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany”.

Mandalo fizahan-toetra isika mba hitaizana antsika fa lasa manana fifaliana isika, ka miha-lehibe sy mitombo finoana rehefa voasedra.

Tsy maintsy manontany ny Tompo raha te hahafantatra ny heviny.

  1. Nomaniny ho amin’ny Fiainana mandrakizay

I Jao 5:11 “Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika”.

Tsy Andriamanitra no manary ny olona fa ny olona no manary ny tenany rehefa tsy manaiky Azy.

Andriamanitra mihitsy no fiainana.

Jesoa Kristy ilay fahafenom-piainana no manambara ny Fiainana mandrakizay.

  1. Hiasa, hanao asa tsara

Natao hanao asa tsara efa hatrany am-piandohana isika (Efe 2:10)

Ny asa dia tsy zavatra manandevo fa hanahafana an’Andriamanitra, toa Azy niasa tao anatin’ny fahariana.

Fanehoana ny maha-zanak’Andriamanitra antsika ny asa. Noforonina ho amin’ny asa isika. Tsy misaraka ny asa sy ny finoana ary ny fivavahana.

Fihaonan’ny asa sy ny finoana no ahazoana vokatra. Tsy rehefa misy olana amin’ny asa vao mitondra izany am-bavaka.

Miasa aho sanatria zanak’Andriamanitra fa tsy hoe hahazo vola ihany, mba tsy handevozin-javatra ka mahay misaotra an’Andriamanitra amin’izay omeny antsika.


Fintina : 

Misy planin’Andriamanitra ny fahavelomantsika.

Ao anatin’izany no ahafahantsika midera Azy, mitia Azy, mihomana ho amin’ny Fiainana mandrakizay ary manao asa tsara.