× home PEJY VOALOHANY location_city FIANGONANA LEHIBE account_balance FIANGONANA MITORY domain AKANY ZADI people SSAF live_help NY FIANGONANA arrow_forward Se connecter

FJKM Ilanivato Misionera


FAMPIANARANA Alarobia 27 Febroary 2019           

Mpampianatra : RAVONIARIVOLOLONA Rojoniaina, mpitandrina


NY FAHOMBIAZAN’NY ASA tarafina amin’ny FOMBA FIASAN’ANDRIAMANITRA ao amin’ny FAHARIANA (Gen 1)


  • Asa fahariana :


Maneho ny fizin’Andriamanitra, mampiseho ny fahefany, ny heriny, ny fahatsararny, ny fitiavany ary ny fiasany.


Ny olona endrik’Andriamanitra dia asaina miasa.


Ny vinan’Andriamanitra tamin’ny olona tao anatin’ny fahariana :

- misitraka ny asany : asaina manjaka amin’ny zava-boahary

- mpiara-miasa amin’Andriamanitra (Gen 2 :15) : nasaina « hiasa sy hitandrina » ny olona.

Ny mitandrina dia mikarakara, miaro.

Lasa mpanimba ny olona ankehitriny <=>mpanohitra ny hevitr’Andriamanitra=> Mila miverina ao Aminy

  • Ahoana no atao mba hananana fahombiazana amin’ny asa ?

1-Miverina mandray ny tenin’Andriamanitra izay Mpahary : Ny tenin’Andriamanitra no no raisna sy ankatoavina (Rom10 :17)

  1. Manana fahaiza-mandamina : ny fahaizana mandamina tsara no entina miady (Oha 20 :18 ; 24 :6). Jerena aloha ny laharam-pahamehana, tahaka Andriamanitra tamin’ny fahariana

3-Mahay mandamina fotoana : 6 andro miasa, 1 andro mitsahatra. Mila manaja fotoana.

  1. Mahay mizara asa ho an’ny olona : manome andraikitra ny olona, mahatsiaro ho tompon’andraikitra

5-Manana vina : tso-drano nomena ireo nohariana ny hoe « maroa…mihabetsaha » (Gen 1 :22 ;28)

6-Afa-po amin’izay natao : mahay mankafy ny asa vita toa an’Andriamanitra. Sal 104 :24-31 « aoka Jehovah hifaly amin’ny asany » <=>manao « bilan » rehefa mahavita asa, mijery ny nety sy ny tsy nety

7-Mitsahatra rehefa vita ny asa. Andriamanitra nitsahatra rehefa nahavita ny asa fahariana. Fitsaharana = marika fa vita ny asa ary tsy andevozin’ny asa.


  • Araka ny Testamenta Vaovao :

Ao amin’Andriamanitra ny « moyen » entina miasa. Oh : talenta voalaza ao amin’ny Mat 25. Izay nomen’Andriamanitra dia tokony hampiasaina.

Aretin’ny tany andalam-pandrosoana ny mijery ny « moyen ». Manimba ny tahotra amin’ny tsy fahitana “moyen”.

Atao ho an’ny Tompo fa tsy ho an’ny olona ny asa atao manjary mila sitraka amin’ny olona : « raha mbola mila sitraka amin’ny olona aho, dia tsy mpanompon’i Kristy » Gal 1 :10b


Fehiny: tsy maintsy mifototra amin’ny tenin’Andriamanitra raha te hanana fahombiazana Mila mandamina, mizara asa, manana vina, manana fahafaham-po, fahamarinana indrindra amin’ny ara-potoana.