× home PEJY VOALOHANY location_city FIANGONANA LEHIBE account_balance FIANGONANA MITORY domain AKANY ZADI people SSAF live_help NY FIANGONANA arrow_forward Se connecter

FJKM Ilanivato Misionera


FAMPIANARANA Alarobia 6 Martsa 2019    

Mpampianatra : RAVONIARIVOLOLONA Rojoniaina, mpitandrina


NY SAKANA TSY HANDROSOANA EO AMIN’NY PLANIN’ANDRIAMANITRA


  • Ny hevitr’Andriamanitra amintsika :
  • Fiadanana sy fanantenana ny amin’ny farany (Jer 29 :11)
  • Fahafenoam-piainana omen’i Jesoa (Jao 10 :10)
  • Hiaina amin’ny vokatry ny Fanahy (Gal 5 :22-23) dia ireo izay manana ny Fanahy Masina


  • Ireo sakana tsy hahatonga ny olona handroso :
  • Fanamelohan-tena : rehefa mandalo tsy fahombiazana dia manamelo-tena, miventy ny lasa foana ≠ Isa 43 :18-19a « aza mahatsiaro ny lasa na misaina ny taloha. Indro Izaho efa hanao zava-baovao » -> tsy mahita an’Andriamanitra miasa amin’ny hoaviny
  • Lolom-po sy fahatezerana : rehefa mahita an’i Kristy ianao dia madio fo, miteraka voka-dratsy ho anao sy ny manodidina ny lolom-po sy fahatezerana maharitra
  • Tahotra : izay avy amin’ny zavatra miseho ratsy ka tsy afaka mahita ny planin’Andriamanitra rehefa manana tahotra. I Jao 4 :18 « tsy manan-tahotra ny fitiavana » -> fitaovana handresena tahotra ny fitiavana 
  • Materialisma : manimba ny fivavahana ny fiheverana fa manana ny zavatra rehetra, toa ny firenena tandrefana.

-Sitraka amin’olona : manao zavatra mba hotian’ny olona, mitady sitraka amin’olona ka rehefa tsy mahazo dia tohan. Gal 1 :10 «olona va no ilako fitia sa Andriamanitra ? sa mbola mila sitraka amin’olona aho ? Raha mbola mila sitraka amin’ny olona aho, dia tsy mpanompon’i Kristy ».


  • Inona no atao mba handrosoana amin’ny planin’Andriamanitra ?
  • Omena lanja ny fiainana : mampahery rehefa amin’ny fotoan-tsarotra lalovana ny fahafantarana fa misy lanja ny fiainanao
  • Manao safidy tsara : Andriamanitra tsy manery ny safidintsika (Deo 30 :19 « efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana koa mifidiana ny fiainana mba ho velona ianao sy ny taranakao »). Rehefa miray safidy amin’Andriamanitra ianao dia tsy diso safidy ary tsy manenina
  • Fifankazarana amin’Andriamanitra : amin’ny alalan’ny vavaka sy ny Teniny. Job 22 :21 « mifankazara amin’ny Tsitoha ianao, dia hiadana. Izany no hahatongavan’ny soa aminao ».


Ireo « mission »n’ny tenin’Andriamanitra :

1-Mampahafantatra antsika ny zavatra rehetra

2-Mitoetra ao anaty (Jao 15 :17)

3-Mamolavola

4-Mampandroso

5-Mamelona (Mat 4 :4)

6-Manohy ny hetaheta

7-Manazava

8-Manome fifaliana

9-Manasitrana

10-  Mampionona

11-  Mitondra fiadanam-po