× home PEJY VOALOHANY location_city FIANGONANA LEHIBE account_balance FIANGONANA MITORY domain AKANY ZADI people SSAF live_help NY FIANGONANA arrow_forward Se connecter

FJKM Ilanivato Misionera


FAMPIANARANA Alarobia 13 Martsa 2019  

Mpampianatra : RAVONIARIVOLOLONA Rojoniaina, mpitandrina


NY FITIAVANA ARAKA NY SORATRA MASINA (1)


Ny fitiavana dia trosa tsy voaloa (Rom 13:8) ary koa filàna fototry ny olona.

Ny olona araka ny hevitr’Andriamanitra dia aina, tena, fanahy (I Tes 5:23).

Ny fo dia velomin’ny fitiavana ;

Ny fanahy velomin’ny vavaka, fanafahana, fisandratana ;

Ny saina velomin’ny fiakarohana, fianarana ;

Ny vatana dia velomin’ny asa (ho an’ny lehibe), fianarana (ho an’ny ankizy), sakafo…


Inona no famaritana ny fitiavana araka ny Soratra Masina :

  • Storgê(στοργή /storgế) : fitiavan’ny Ray aman-dreny sy zanaka (affection familiale, amour familial)
  • Philia(φιλία /philía) : firahalahiana, finamanana (fraternité, amitié)
  • Éros(ἔρως /érôs) : avy amin’ny fihetseham-po (amournaturel, plaisir corporel). Mampahajamba rehefa tarihan’io filàna io (Gen 39 : Josefa sy ny vadin’i Potifara).

Ny discipline spirituelle no natao hiadiana aminy : fanolorana ny fo amin’ny Tompo mba tsy hotaitaitra (Oha 23 :26 « anaka, atolory ahy ny fonao ». Entina eo Aminy izay manavesatra.

  • Agapè(ἀγάπη /agápê) :

üfitiavana mamonjy, manome (Jao 3 :16), fitiavana tsy misy fetra ary tsy misy fepetra (Jer 31 :3) (amour désintéressé, inconditionnel).

Misy zavatra foana asehon’Andriamanitra rehefa tia Azy ianao (Jao 15 :15 « sakaiza mitandrina ny didiny » ;

üfitiavana mamelona : ny hazofijaliana dia mamelona ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olona, ny olona amin’ny tenany ary ny olona samy olona ;

ümanome lanja (système de valeur) : I Kor 13 :1-3 : Na manana ny zavatra rehetra aza ny olona nefa tsy manana fitiavana Agape dia zava-poana (zéro).

Isika miaina amin’ny fitiavan’Andriamanitra no mampisy lanja ny fianantsika.

Ny fitiavan’Andriamanitra no maha izy azy ny fiainantsika.


Fehiny: fitiavana tanteraka ny fitia Agape. Isa 46 :4 “na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, Izaho no hitondra sy hanafaka”.

Fitiavana manarina ny Agape, manarina raha sendra lavo. Jao 21:15 Jesoa mamerina an’I Petera ho amin’ny iraka ampanaovina azy.

Ny fahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra no ahafahantsika mitory.