× home PEJY VOALOHANY location_city FIANGONANA LEHIBE account_balance FIANGONANA MITORY domain AKANY ZADI people SSAF live_help NY FIANGONANA arrow_forward Se connecter

FJKM Ilanivato Misionera


FAMPIANARANA Alarobia 20 Martsa 2019  

Mpampianatra : RAVONIARIVOLOLONA Rojoniaina, mpitandrina



NY HEVITR’ANDRIAMANITRA HO AN’NY TANORA : TANORA KRISTIANA TONGA MODELY AMIN’NY FITIAVANA


 « Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana » I Tim 4 :12


Zava-dehibe amin’ny fiainan’ny olona ny fitiavana. Misy akony eo amin’ny fianany ny tsy fahombiazany amin’ny fitiavana.


Modely amin’ny fitiavana ny tanora rehefa :

  • mahafantatra ny tena fitiavana :

Mila fantatrao ireo karazana fitiavana 4 ahafantarana ny fitiavanao : fitiavana toy ny an’ny ray aman-dreny sy zanaka ve, sa fitiavana mitady takalo, sa fitiavana amin’ny fahatairana fotsiny ve, sa fitiavana marina dia ilay « Agape » ?

Ny fitiavana tsy mananadevo dia faritan’ny I Kor 13 :4-8. Hoy ny andininy faha 4 « ny fitiavana mahari-po » nefa tsy manana faharetana intsony ny olona ankehitriny.


  • Mahalala ny sitrapon’Andriamanitra mahakasika ny fitiavana :

Andriamanitra mihitsy no mahafantatra izay sahaza ho an’ny olona.

Ny Gen 2 : 18-25 dia milaza an’Andriamanitra nanao vady sahaza an-dralehilahy. Nahasondrian-tory an-dralehilahy Izy =>mila mampangiana ny aminy ny olona vao miditra amin’ny fanambadiana mba hahafahan’Andriamanitra miasa.

Nomena safidy ny olona tamin’ireo biby nampandalovina teo aminy. Andriamanitra no manome ary manaiky ny anjaran’ny olona. Mila manaiky rehefa manome Andriamanitra.


Olona efa mahaleo tena vao miroso amin’ny fanambadiana (and 24)=>

« Ho nofo iray ihany ireo » (and 25)

Tsy azo atsimbadika ny planin’Andriamanitra. Ny « nofo iray » dia dingana farany amin’ny fianam-panambadiana.

Mila hibebahana izay tsy nahatanteraka tamin’ny dingana arahana amin’ny fianam-panambadiana.


Fehiny : 

Hoy ny voalaza amin’ny Sal 119 :9-11 « Inona no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto ? Ny fiandremana araka ny teninao » => ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra no ahombiazana.